Basy lava miaraka amin’ny bala « Calibre12 », basy poleta vita gasy roa, finday dimy, firavaka volafotsy sy volamena, fanafody gasy ary ireo kojakoja fitondra amin’ny alina. Ireo no saron’ny polisim-pirenena eto Moramanga niaraka tamin’ireo andian-jiolahy, ny alin’ny alatsinainy 20 mars 2017. Nikasa hanafika tokantrano iray ao Ambohimanarivo, izay fokontany iray ao anatin’ny kaominina Ambohibary, distrikan’i Moramanga. Avy any Ambatondrazaka ireto valo lahy ireto no nanao anton-dia ho eto Moramanga hangalatra. Tao anaty fiara fitateram-bahoaka no nanontany olona niara-nipetraka tamin’izy ireo ny mombamomba an’i Moramanga, ary ity farany no nanao ny fitarihan-dàlana rehetra ny amin’izay tokony haleha. Nampitady fiara ireo valo lahy hintondra azy ny alina ary niangavy ity olona iray hampirina ny basy sy fitaovana rehetra alohan’ny asa fanafihana ny alin’io. Tsy naharitra ity olona izay nirahin’ireto valo lahy, fa avy hatrany dia nanatona ny polisim-pirenena eto Moramanga izay akaiky ny vahoaka kokoa. Nandray ny fepetra rehetra ary nanao ny vela-pandrika kosa ireto mpitandro filaminana, tarihin’ny Kômisera divizionera Rakotoarivony Mickael, ary dia noraisim-potsiny ireo jiolahy. Ireto jiolahy tratra ireto ihany koa no tompon’antoka tamin’ny fanafihana nisesy tao antampon-tanànan’Ambatondrazaka farany teo. Efa nisy tamin’ireo olona niharan’ny fanafihana mihitsy no tonga teto Moramanga nanamarina ny tarehin’ireto jiolahy tratra teto Moramanga ireto. Hanamafy ny hetsika famongorona ny asan-jiolahy sy ny zava-mahadomelina ary ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ireo polisim-pirenena eto Moramanga ary hitandro ny voninahitry ny polisim-pirenena malagasy.
Cathy