Taorian’ireny fanazavan’ny Praiminisitra ireny fa tsy maintsy hatao ny fanadihadiana sy ny fanolorana ny Fampanoavana ireo olona rehetra, na sivily izany na pôlisy izay voakasika tamin’ny raharaha Antsakabary, dia fantatra fa nisy komity kely niforona teo anivon’ny pôlisy ka ny olona eo anivony dia halefa hidina any Befandriana-Nord hanao fanadihadiana ireo pôlisy rehetra; izay nandray anjara tamin’ny fidinana an-tsehatra tany an-toerana ka iny niteraka resa-be iny. Fakàna am-bavany pôlisy no tena anton-dian’izy ireo alohan’ny hanolorana ny dosie eo anivon’ny Fampanoavana. Izany hoe ho an’ireo delegasiona mpitandro ny filaminana izay nidina tany iray volana lasa izay, dia tsy mbola nisy fakàna am-bavany nandeha izany fa miendrika tatitra kosa no natao an-tsoratra momba ny zava-nisy tany an-toerana. Marobe ny mpanao fanadihadiana izay nidina tany an-toerana taorian’ity raharaha izay misy fiantraikany mivantana amin’ny zon’olombelona ity. Hatreto aloha, dia tsy nisy nandiso fa misy ny tsy fanajana ny zon’olombelona tany Antsakabary ary mendrika ny hosaziana ireo tompon’andraikitra momba izany. Ho tonga amin’izany ve ny fanapahan-kevitra horaisina? Manaraka akaiky hatrany ny fivoaran’ity raharaha ity ny mpanara-baovao.
D.R