Raikitra ny fifanjevoana omaly tetsy 67ha Atsimo, teo amin’ireo andian’olona maromaro, niomana ny handrava trano sy ireo mponina nipetraka tao amin’ilay toerana. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ary voatery nanapoaka basy nanao tifi-danitra mihitsy.
Tokony ho tamin’ny 11 ora teo ho eo, voakotaba tanteraka ny fiainana andavanandron’ireo mponina teny amin’iny 67ha atsimo iny, indrindra tao amin’ilay faritra fantatry maro eny an-toerana amin’ny anarana hoe « TB », ho fanafohezana ny hoe « Tra-boina », rehefa tonga ary nijanona teo amin’io faritra io ny fiarabe iray, nitondra andian’olona maromaro, niaraka tamin’ny « bois rond » sy baramina ary fitavaona samihafa. Niaraka tamina vadintany izy ireo sy mpitandro filaminana ary nilaza fa tonga hantanteraka didim-pitsaràna mahakasika resaka tany, ary handrava izay trano miorina eo ambonin’izany tany izany. Nanomboka teo ny savorovoro satria samy taitra avokoa ireo mponina, indrindra fa ireo olona nipetraka tao amin’ilay toerana ary tsy nanaiky hatramin’ny farany ny hikitihana na dia fantsika iray aza tamin’ny toeram-ponenan’izy ireo.
Nanomboka teo ny sakoroka, rehefa nifanenjahan’ireo fokonolona ireo andian’olona tao anaty fiarabe. Tapitra nitsoaka sy niafina ary samy namonjy ny ainy avokoa ireto farany. Ambinambiny sisa no niaminkamina teny ambonin’ilay fiarabe. Tao anatin’izany no voatery niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo izay tonga teny an-toerana. Nisy mihitsy ny tifitra fampitandremana mba hampilamina ireo fokonolona. Tsy nisy ny naratra tamin’io na ny voasambotra. Tonga teny an-toerana tao anatin’izany ireo tompon’andraikitry ny fokontany teny amin’iny toerana. Nanao ny fifampiraharahana sy niresaka tamin’ireo olona tonga handrava ny trano. Tetsy andanin’izay kosa, nobahanan’ireo mponina tamin’ny hazo, kalesa, izay zavatra hitan’izy ireo teo ny lalan-tokana miditra ao amin’ilay trano saika harodana. Ora maromaro no nifanjevoan’ny mponina sy ny mpitandro filaminana raha ny hita teny.
« Tsy misakana velively ny fampiharana ny didim-pitsaràna izahay, fa kosa, tokony mba nisy fampilazàna mialoha, mba hahafahan’ireo mponina an-jatony sy izahay miomana fa tsy tampohina tahaka izao », hoy ny fanazavàna tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fokontany. Tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifampiresahana tokoa anefa satria dia nilamina ihany izany rehefa hita ny marimaritra iraisana. Omena hatramin’ny alatsinainy ireo olona, hanalàny ny entany sy hialàny amin’ny trano. Raha ny fantatra teny an-toerana dia efa amam-polony taonany maro ireto olona ireto no nanorim-ponenana teny amin’ity faritra ity. Ireo tra-boina tamin’ireo rivodoza tamin’izany fotoana izany izy ireo, antony nahatonga ny anaran’ilay faritra ho « TB ». Mahatratra eo amin’ny 500 eo no isan’izy ireo.
m.L