- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025

Tapatapany

# Tsiroanomandidy. Maty nokapakapain’ny jiolahy ny tompon-trano. Lasa ny vola iray tapitrisa ariary mahery tao an-trano, namoy ny ainy tamin’ny fomba feno habibiana kosa ny tompon-trano. Voakapa famaky mantsy teo amin’ny lohany, ny tànany sy ny tongony. Izany no vokatry ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Manarintsoa, kaominina Belobaka, Distrika Tsiroanomandidy, ny zoma alina lasa teo. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary ny raharaha.

# Ambatondrazaka. Bizina vato sarobidy, olona enina niakatra fitsarana. Ny sabotsy lasa teo, teratany Srilankais efatra sy Malagasy roa no niakatra fitsarana noho ny resaka trafikana vato sarobidy. Ny telo tamin’ireto teratany vahiny ireto, dia voasazy handoa onitra, 150.000 ariary raha 350.000 ariary kosa ny iray. Afaka noho ny tsy fahampian’ny porofo kosa ireo malagasy.

# Marovoay. Ankizikely iray matin’ny haromotana. Ankizy iray no namoy ny ainy, rehefa tratry ny haromotana ny zoma lasa teo, tao Ambolomoty Marovoay. Voakaikitry ny alika romotra izay tsy maty tamin’ny famonoana alika faobe ity ankizy ity raha ny fantatra. Nalevina avy hatrany moa ity ankizy namoy ny ainy ity, mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

# Vohémar. Lehilahy maty nitsambikina teny ambony tetezana. Lehilahy iray no maty namono tena tany Vohémar, rehefa nitsambikina teny ambonin’ny tetezan’i Fanambana, ny zoma lasa teo. Araka ny filazan’ny olona, dia namoifo tanteraka ny lehilahy ary izao nitsambikina avy teny ambony tetezana izao.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici