Raha tsy misy ny fiovana, dia anio no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ireo olona sivy voarohirohy tamin’ny famonoana ireo mpivady sinoa, teny amin’iny faritra Ivato, ny herinandro lasa teo. Teratany sinoa ny fito amin’izy ireo, ary vehivavy malagasy ny iray. Ao anatin’ireto olona voarohirohy ireto ny tena tompon’antoka tamin’iny vono olona mahatsiravina iny, tsy izany fa ilay tovolahy sinoa 24 taona, fantatra amin’ny hoe « Shao Wei ».Voasambotra tany Ambondromamy, roa andro taorian’ilay famonoana, raha an-dalana nitsoaka iny izy. Ity farany raha ny angom-baovao azo, dia nirahina tanteraka mihitsy hamono ireto mpivady ity. Izy rahateo, nanana trosa volabe tamin’io olona naniraka io, ka tany amin’iretsy novonoina no mety hahavitany hanalàna izany. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa, olona efa nigadra tany « Chine » ity tovolahy ity, ary tonga teto amintsika. Niasa tamina tranombarotra iray saingy voaroaka noho ny toetra ratsiny sy ny lasany. Mazava hatreto aloha ny antony nanosika azy sy ireo namany hanao ity vono olona feno habibiana ity, fa resa-bola. Tsiahivina fa nisy tokoa ny volabe aman-tapitrisany maro very tamin’io fotoana io, ary am-pahany, teo amin’ny dimy tapitrisa ariary teo sisa no hita tany amin’ilay tovolahy. Tamin’iny herinandro nivalona iny indray no nahasamborana ireo sinoa efa-dahy, izay fantatra fa isan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny nahavanon-doza ihany koa tamin’io fotoana io. Ambonin’ireo teratany sinoa roa hafa sy vehivavy malagasy roa, izay efa tratra talohan’ny nahasamborana an’i Shao Wei, ny andron’ny nahitana ireo razana roa nilon-drà tao amin’ny hôtely « Paon d’or ». Toa hazakazaka arahin-tosika tokoa ny fivoaran’ny fanadihadiana eo anivon’ireo pôlisy sy ny zandary miara-miasa amin’ity raharaha ity. Ny zoma lasa teo izao no natao ny famerenana ny zava-niseho rehetra tao amin’ilay hôtely nahitana ny fatin’ireo sinoa ankiroa.
m.L