- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversMandroseza : Mpandeha an-tongotra, maty nodomin’ny môtô

Mandroseza : Mpandeha an-tongotra, maty nodomin’ny môtô

Olona efa nahazo taona iray, manodidina ny 79 taona eo ho eo no nindaosin’ny fahafatesana omaly, teny amin’ny hôpitaly, rehefa nodomina môtô « scooter », ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Nianjera vokatr’izay ihany koa ilay mpitondra môtô sy ny olona nentiny, ka naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao. Araka ny fantatra, dia nandeha mafy ilay kodiaran-droa tamin’io fotoana io. Eny amin’iny faritra iny anefa, somary be olona ihany, indrindra fa rehefa hariva ny andro. Sendra fiolahana ireo mpitondra môtô, saingy tsy namaly intsony ny familiana ary dia namantana tany amin’ireo mpandeha tongotra. Samy nitsoaka avokoa ny araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, saingy ity olona antitra ity no tavela teo ary dia voafaokan’ilay môtô. Tetsy andanin’izay, dia nianjera sy nivadibadika mihitsy ireo mpitondra an’ilay « scooter ». Nentina avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana ireto olona telo naratra ireto, io harivan’ny sabotsy io. Saingy omaly kosa no fantatra fa namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy ilay voadona.  Fa fiarabe lehibe iray ihany koa no nifatratra tany anaty tranon’olona, rehefa avy nandona fiara maromaro, omaly tesy amin’iny faritra Anosizato iny. Vokany fiara telo no indray potika ary trano iray no rava. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy ny naratra tao anatin’izany loza nitranga izany. Araka ny fantatra dia mpanampin’ny mpamily no namelona ity fiara ity. Narahan’ity farany « accelerateur » izany famelomana azy izany, kanefa mbola misy « vitesse » ilay fiara, ka dia izao no vokany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici