- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fiaran’ny Ministeran’ny Fahalasamana, nandona sy nahafaty mpianatra

Antsirabe : Fiaran’ny Ministeran’ny Fahalasamana, nandona sy nahafaty mpianatra

Nandriaka indray mantsy ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, tao Antsirabe II, ny zoma hariva lasa teo. Fiara tsy mataho-dalana iray, no nifaoka ankizilahy kely. Noho ny ratra nahazo azy dia namoy ny ainy ity voadona ity. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandary misahana iny faritra iny, tamin’ny fanamarinana ny fiara, dia fantatra fa an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ilay fiara 4×4. Handeha hitodi-doha hiakatra ny Renivohitra ity fiara ity no izao nitranga izao ny loza. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany hariva no nitranga ny loza, teo Vohitsoa, ao amin’ny fokontany Antsapanimahazo, kaominina Antsoantany, distrika Antsirabe II. Raha ny fampitam-baovao, dia sendra nivoaka tampoka ny faritry ny ny sekoly ilay ankizilahy tamin’io fotoana io. Tetsy andanin’izay anefa, no nandalo ilay fiaram-panjakana izany, matetika dia mirimorimo foana. Mafy dia mafy ny dona nahazo ilay ankizilahy, izay naratra teo amin’ny lohany sy teo amin’ny tanany. Nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana tany Antsirabe, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy nony habetsaky ny rà very taminy. Nidina teny an-toerana nanao ny fizahana rehetra ny zandary tany an-toerana. Ary satria nisy ny aina nafoy dia notazonina vonjimaika ao amin’ny « poste avancé » ao Ambohibary, izay mandray ny fanadihadiana rahateo ilay fiara nahavanon-doza niaraka tamin’ny mpamiliny, araky ny tatitra azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici