- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Sinoa voarahona ho faty, 4 tapitrisa ariary sy vola 1000...

Andoharanofotsy : Sinoa voarahona ho faty, 4 tapitrisa ariary sy vola 1000 euros lasan’ny jiolahy

Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo, tokantranon’ny sinoa iray no lasibatry ny asan-jiolahy, teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola gasy sy vahiny mitentina eo amin’ny valo tapitrisa ariary teo ho eo, ambonin’ny firavaka volamena maro sy ny entana lafo vidy tao amin’ity tokantrano ity. Tsy vitan’izay anefa fa mbola voarahona ho faty ihany ilay sinoa ka tsy afaka nanao na inona na inona. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no niditra nanao amboletra tao amin’ity tanàna iray, tao Belambanana Andoharanofotsy ity, ny jiolahy telo, nirongo basy PA. Tsy nisaron-tava ireto olon-dratsy ireto araka ny fantatra avy tamin’ireo zandary nanao ny famotorana. Vao tafiditra izy ireo dia nandrahona avy hatrany an’ilay sinoa. Sendra ny be noho ny vitsy ary matahotra ny ainy ihany koa ity farany ka tsy nahasahy nihetsika sy niantso vonjy. Nanao izay danin’ny kibony araka izany ireo olon-dratsy, nibata izay zakany tao amin’ilay tokantrano, eny fa na hatramin’ireo fitaovana sarotsarotra bataina toy fahitalavitra lehibe iray. Nangonin’izy ireo tsy nananany antra ihany koa ireo fitaovana eletronika lafovidy, toy ny finday avolenta miisa telo, Ipad miisa dimy ary ny firavaka volamena maromaro. Noteren’izy ireo hamoaka ny vola rehetra tao an-trano ihany ilay sinoa, izay nanaiky tsy fidiny ny baikon’ireto olon-dratsy. Lasan’ireto farany tamin’izany ny vola gasy mitentina eo amin’ny efatra tapitrisa ariary teo ho eo, niampy vola vahiny, 1000 euros. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa azony izany nilainy. Tamin’izay vao afaka niantso vonjy sy nampandre ny zandary teny an-toerana ity sinoa voatafika ity. Efa nisy ny fanarahan-dia sy ny fanaovana sahavao ireo olon-dratsy, saingy nadio tanteraka ny rano nitàn’izy ireo, maizin-kitroka rahateo ny alina. Na izany na tsy izany dia efa mandeha avokoa ny fikaroham-baovao mahakasika ireto olon-dratsy ireto ataon’ireo zandary ao Andoharanofotsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici