- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Rastaman avy nanao fampisehoana voaendaka

Tsaralalàna : Rastaman avy nanao fampisehoana voaendaka

Tsy nisy niangana izany teny aminy, lasa hatramin’ny kapila mangirana maromaro izay ambiny tamin’ny namidiny nandritra ny fampisehoana izay vao avy nataony ka misy ny hira vaovaony. Lasa ny vola, ny finday, ny kara-panondro sy izay rehetra azo nalaina teny aminy. Lehilahy iray antsoina hoe Todisoa, lehiben’ny tarika Rootsikalo, izay miangaly ny mozika reggae, no niharan’ny fandrobana tetsy Tsaralalàna. “Telo lahy no nifanehatra tamiko ary tsy nisy resaka azo natao fa avy hatrany dia nidaroka izy ireo. Naratra mafy aho no sady very fananana”, hoy ny fanazavan’i Todisoa. Vao avy nanao fampisehoan’ny faran’ny herinandro izy ary tokony ho tamin’ny efatra ora sy fahatelony maraina no nitrangan’izany herisetra nianjady taminy izany. Tamin’ny tambajotra sosialy facebook no namborahan’i Todisoa ny alahelony  tamin’ireo namany sy mpankafy ny tarika tarihiny : “(…) marary ny firenena ary manentana ny tsirairay aho mba ho mailo tanteraka amin’izao fotoana izao (…) isaorana ny ao ambony fa mba tsy maty fo aman’aina aho (…) izahay dia mba miezaka ny hivelona avy amin’ny alàlan’ny fivarotana ny talentanay ary miady mafy amin’izany saingy etsy andanin’izay dia misy olona izay te-hanambola nefa tsy miasa saina (…) mila mandray andraikitra hentitra ny governemanta manoloana ny tsy fandriam-pahalemana”, hoy izy naneho ny heviny sy ny alahelony. Isan’ny olona tsy matahotra mandeha alina ny rastaman satria izy ireny dia malaza fa mahay mifandray amin’ny sarangan’olona rehetra no sady tsy mpila vaniny ary koa mahay manindry fo. Tsy izany intsony anefa no mitranga manoloana ny jiolahy izay efa tsy mifidy arapaka intsony eto an-drenivohitra. Daroka tsy nisy antra mba nahazoana izay kely teny aminy. Maty tanteraka ny fiainana amin’ny alina eto an-drenivohitra, na ny artista aza miady mafy amin’ny ainy rehefa hanao fampisehoana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici