- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFanamarihana ny 29 martsa : « Tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka»,...

Fanamarihana ny 29 martsa : « Tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka», hoy ny Emmo

Mazava ny ny tenin’ny Prefektioran’ny pôlisy sy ireo mpitandro filaminana telolafy mivondrona ao anatin’ny Emmo, omaly nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Tobin’ny zandary tetsy Ankadilalana. « Tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka mandritra ny hetsika fanamarihana ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahan’ny 29 martsa 1947». Araka ny fanazavàna azo mantsy dia tsy nisy mihitsy olona na fikambanana tonga nametraka taratasy fangatahana hamory olona, tonga teny amin’ny Prefektioran’ny pôlisy eto an-drenivohitra hatramin’io omaly io. Toraka izany ihany koa ny amin’ny fampiasàna fanamasim-peo, na mipetraka io na mandehandeha. Araka izany dia «misy ny fifandaminana. Ireo tompon’andraikitra-panjakana no mandeha aloha ary manaraka ny ny sisaAry mametraka voninkazo dia samy miala. Tsy azo atao ny manao kabary pôlitika na manentana ny olona hilahatra», hoy ny Jly Florens Rakotomahanina. Ho hentitra tokoa ny fitandroana ny filaminana amin’io fotoana io, na etsy Ambohijatovo izany, na eny amin’ny Mausolée, hisorohana ny zava-nitranga toy ny niseho tamin’ny herintaona raha ny fampahafantarana nataon’ny Kly Ravoavy Zafisambatra, Lehiben’ny EmmoReg. « Ho an’izay tsy manaraka ireo fepetra ireo dia ho avy izahay hisambotra », hoy hatrany izy ireo, satria efa naman’ny tsy fanarahan-dalàna izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici