Toy ireny amin’ny horon-tsarimihetsika ireny ny famonoana olona tao Ambohimanambola Betafo tao. Tsy misy alaharo fa avy hatrany dia tifitra no niantefa tamin’ny tovolahy iray rehefa nifamaly tamin’ny andian’olona iray toeram-pisotroana taminy. Maty tsy tra-drano io lehilahy io ary tsy mbola voasambotra kosa ny nahavanon-doza. Niteraka resa-be ao Ambohimanambola ny fisian’ireo ombiasy na mpimasy milaza fa mahay manao ody gasy, manao ireny ody basy sy zava maranitra toy ny lefony ireny, mba tsy handaitra rehefa tojo fanafihana. Ny vahoaka rahateo efa leon’ny tsy fandriam-pahalemana sy tsy mahita andry hiankinana ka maro no voasarika manatona ilay dadarabe. Marihina anefa fa misy sarany ny fanatonana io mpimasy io. Araka ny fantatra dia toy ireny fikambanana kely ireny mihitsy izy sy ny olony, izay efa lasa tambajotra kely mihitsy amin’izao. Nisy ny fiarahan’izy samy mpikambana tao amin’ny toeram-pisotroana iray,tsy fantatra aloha izay niantombohan’ny ady fa ry zareo efa nifamaly sy niaka-peo no fantatra. Poa tahaka izay, nirefotra ny basy, lehilahy iray no niantefany ary maty tsy tra-drano teo. Tsikaritry ny sasany anefa nandritra ny zava-niseho fa toa miharo zavatra tsy dia mazava loatra ny raharahara. Manahy mantsy ny naman’ny maty fa mety ho matimaty foana ny havany. Malaza ho mifampiaro mafy ireo andian’olona nitifitra ireo. Tsilian-tsofina moa no nandrenesana fa mety mahalala tsiambaratelo ilay lehilahy ka izay no nanaperana ny ainy. Ny tena nahagaga ny maro aza moa dia ny nandrenesana fa ny rain’ilay maty indray no nosamborin’ny mpitandro filaminana.
Andry N.