Jiolahy rain-dahiny iray indray no lavon’ny balan’ny pôlisy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo teny Ankasina. Tao ho ao izay dia nalaza ny fisiana andian-jiolahy mirongo sabatra, manafika tranon’olona teny amin’iny faritra 67ha sy ny manodidina iny. Teo anatrehan’izay indrindra no nandrasain’ireo mpitandro filaminana fepetra ny amin’ny fanaovana hazalambo ireto olon-dratsy ireto. Tamin’io alina indrindra ary, raha nahazo vaovao ireo pôlisy ny amina fisiana andian’olona mitana sabatra mikasa hanafika tokantrano iray teny amin’iny faritra Ankasina iny, dia tonga avy hatrany teny izy ireo. Indreo eo tokoa, dimy lahy, misy zava-maranitra miendrika sabatra manjelatra teny amin’ny iray tamin’izy ireo, tsy fantatra hoe avy aiza, nifanena tamin’izy ireo. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna ireto andian’olona mampiahiahy ireto, ireo pôlisy saingy rifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana fotsiny ny fiaran’ireo mpitandro filaminana. Raikitra teo ary fifanenjahana ka voasambotra ny iray, ilay nahatazanana sabatra. Namaly avy hatrany anefa ileio ary saika hampiasa an’ilay fitaovam-piadiana teny an-tanana tamin’ilay pôlisy nisambotra azy. Tsy nisy afa-tsy ny fiarovan-tena tamin’ny tifitra sisa no nataon’ireto farany, ka lavo tamin’izany ilay olon-dratsy. Mbola nisy iray tamin’ireo dimy lahy no azo sambo-belona raha tafaporitsaka kosa ny telo ambiny. Raha ny angom-baovao azo dia fantatra fa teo am-panafihana ilay tokantrano mihitsy izy ireo no namaly sy niantso vonjy ny tompon-trano. Raha mbola teo am-pikonokononana ny handeha hitsoaka iny no nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana. Tsy mbola nahazo na inona na inona araka izany ireto olon-dratsy ireto. Eto dia manentana hatrany ny pôlisy ny amin’ny fanomezam-baovao azy ireo avy hatrany mahakasika olona na tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.
m.L