Voasambotry ny polisy, ny faran’ny herinandro teo, ny jiolahy telo lahy, isan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanafihana miharo fanolanana tao Androvakely Antsirabe II. Raha tsiahivina fohy, trano roa no indray notafihan’ny jiolahy tao Androvakely, mpivarotra avokoa ireo tokantrano ireo izay nahaverezana antampitrisany sy entam-barotra ary fitaovana maro, tsy vitan’izany fa naolan’ireo jiolahy koa ny zazavavy kely iray zanaky ny tompon-trano. Fa ankoatran’io fanafihana io dia tokantrano roa hafa ihany koa no voatafika nandritra io alina io tao Ambozontany. Taorian’ny fanafihana anefa, nanambara ny tompotrano fa nisy famantarana hitany tamin’ny tavan’ilay nanafika. Ankoatra izay, ren’ny fianakaviana ihany koa fa nisy fifandirana ireo samy jiolahy satria tsy arakaraky ny vola notenenin’ilay mpanondro ny trano hotafiana ny vola azo nandritra ny asa ratsy. Voalaza mantsy fa nampanantena volabe ity farany kinanjo tsy izay no niseho ka teo no niainga ny disadisa sy fifamaliana. Fantatra fa niafara tamina fikasihan-tanana mihitsy ny fifamaliana ka voatoraky ny tapa-biriky ny lohan’ilay mpanondro ny trano hotafihina. Ny ampitson’io fanafihana io ihany dia nentin’ny havany teny amin’ny hopitaly ilay naratra ka noraisim-potsiny teny. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny polisy moa dia roa lahy hafa koa no voasambotra. Mitohy kosa ny fanaovana asa lambo ireo namany raha toa ka efa nidoboka eny am-ponja kosa izy telo lahy ny talata lasa teo.
Andry N.