Vokatry ny fandehanana mafy, nandriaka indray ny rà tany amin’iny lalam-pirenena fahasivy iny, ny harivan’ny alarobia teo, tokony ho tany amin’ny enina ora tany, tao Belalanda Toliara, ka roa lahy nanao taingin-droa tamin’ny môtô no maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao, ka polisy miasa ao Toliara ny iray tamin’ny namoy ny ainy. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia tao anaty fiolahana no nitranga ny loza. Avy any avaratra hihazo ny tanànan’i Toliara miaka-piakarana ilay môtô nandeha mafy mbola tsy nandrehitra jiro, raha nidim-pidinana ary ho any Salary Avaratra kaominina ambanivohitry Tsifota kosa ilay fiarabe izay nitondra sakafo sy entana maro ho an’ny trano fandraisam-bahiny iray malaza any an-toerana. Raha vao nahita an’ilay môtô nandeha mafy nivilavila fandeha tsy nanaraka ny lalana tokony hizorany intsony ny mpamilin’ilay kamiao, dia naka sisiny no sady nandeha mora nidina. Tsy nahita ny fiara teo anoloany intsony ilay mpitandro filaminana nitondra môtô, izay voalaza fa nahenoana fofon-toaka, ka avy hatrany dia nanitsy sy nifatratra tany amin’ny ilany havian’ilay kamiao, ary maty teo ho eo, raha teny an-dàlana hihazo hopitaly kosa no namoy ny ainy ny namany iray nentiny. Ny alin’ny nitrangan’ny loza ihany, dia voatazona atao fanadihadiana ao amin’ny kaomisarian’ny Polisy ao Bazaribe Toliara ny mpamilin’ilay kamiao nahavanon-doza miaraka amin’ny fiarabe nentiny.
Eric Manitrisa