Voalaza fa noho ny fahadisoam-panantenana, miaramila iray, 24 taona, miambina trano fonenana Senatera ao Tanambao no nitifi-tena, ary maty tsy tra-drano namoy ny ainy, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo, tany Fianarantsoa. Raha ny loharanom-baovao voaray dia resaka fampanantenana asa tsy tanteraka no nahatonga ny famoizam-pon’ity miaramila mpiambina ity, ary voalaza fa tao anaty fisotroana toaka izy no nanapitra ny ainy. Rehefa avy nanapoapoaka basy variraraka nirefodrefotra izy, dia ny bala faha-14 no natodiny tamin’ny tendany ka nivoaka tany an-tampon-dohany. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ity raharaha ity. Niaretan-tory tao amin’ny Toby Faritany Miaramila faharoa (RM2) kosa ny razana.
Eric Manitrisa