- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Efa-dahy namaky fitaratra taxibe, nandroba finday

Analamahitsy : Efa-dahy namaky fitaratra taxibe, nandroba finday

Tsy indray, tsy indroa izay ! Tsy vitsy tokoa ireo mponina sy mpandalo eny amin’iny faritra Analamahitsy sy ny manodidina iny no mikaikaika amin’ny ataon’ireo andian’olona maromaro, avy nijery fampisehoana tao Antsonjombe, ka mirava ny hariva iny. Ao ireo migafy tsotra izao, ary misy ny sasany, tsy tahotra tsy henatra mihitsy fa dia manendaka izay sendra azy. Toy ny nitranga ny alahady lasa teo, raha nisy fampisehoana tao amin’ity toerana ity. Tovovavy iray, anaty fiara fitateram-bahoaka no lasibatra. Rehefa tsy azon’ireto efa-dahy tamin’izany ny finday teny am-pelatanan’ity tovovavy ity dia novakian’izy ireo mihitsy ny fitaratr’ilay fiara. Ary tsy nanaiky raha tsy lasan’izy ireo ilay finday avolenta. Raha ny filazan’ireo nahita dia toa zavatra efa nomanina mihitsy satria dia efa vonona tanteraka amin’ny lamba marososona nataony solona « gant» ireto andian’olona ireto, hamakiana ny fitaratry ny fiara sy hangalana izay ao anatiny. Manana fotoana tokoa izy ireo satria dia mitohana tsy misy toy izany ny fifamoivoizana amin’ireo lalana rehetra mivoaka avy eo Antsonjombe rehefa iny mirava iny ny fampisehoana. Mijanona sy tsy afa-mandeha intsony ireo fiara, eo anatrehan’ireo olona maro dia maro avy nijery izany fampisehoana izany. Eo amin’izay fotoana izay no hanararaotan’ireto andian’olona manao ny asa ratsiny. Tsy vao tamin’io alahady io ihany anefa no nitrangan’izay, araka ny fitantaran’ireo mponina eny amin’ny manodidina fa rehefa misy lanonana ao amin’io kianja. Indrindra moa fa hoe fampisehoana tsy misy vidim-pidirana na irony karazan-kira ankifizin’ny « maro tsy ankanavaka » irony no ao. Ny tabataba sy ny teny ratsy amin’izany, efa tsy lazaina intsony, hoy hatrany izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici