« Zandarimaria miasa ho an’ny vahoaka ». Hiavaka tsy toy ny isan-taona tokoa ny fankalazana ny Andron’ny zandarimariam-pirenena amin’ity taona ity, izay nifidianana manokana io teny filamatra io. Telo andro alohan’ny rahampitso, izay ivon’ny fankalazana, dia efa nisy sahady ny hetsika notanterahan’izy ireo. Ny alakamisy lasa teo, zandary miisa 248 no tonga nanome rà teny anivon’ireo hôpitaly roa lehibe teto an-drenivohitra. Tetsy amin’ny Cenhosoa (ex-Homi) Soavinandriana, notarihan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, izay nahitàna ireo zandary avy ao amin’ny Fign. Nahitana ireo manambonahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony ary ireo mpiasa sivily kosa ny tetsy amin’ny Hjra, izay teo ambany fitarihan’ny Kômandin’ny Zandarimariam-pirenena. Omaly zoma, nifampitaona indray ireo zandary maromaro miasa eo anivon’ireo toby rehetra eto an-drenivohitra, hanao hetsika fanadiovana. Hetsika notarihan’ny Kômandin’ny zandary. Toerana efatra no nanaovana izany : Analakely, Ambohijatovo, Mahamasina, ary Ivato. Marihana fa tsy ireo zandary eto an-drenivohitra irery no manao izay hetsika izao, mandritra ity fankalazana ny andron’ny zandary ity, fa ireo zandary any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
m.L