- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Sambo miasa any Toliara ilay nahatratrarana “bois de rose”

Taolagnaro : Sambo miasa any Toliara ilay nahatratrarana “bois de rose”

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny Zandarimariam-pirenena dia sambo iray no tratra nitondra andramena antsokosoko tao Ambinany, fokontany Maroloko  kaominina ambanivohitra Soaviny, distrikan’i Tolagnaro; ny zoma 21 martsa 2014 tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

Nidina tany an-toerana ireo tomponandraikitra ara-panjakana maro ao amin’ny renivohi-paritra Anosy nahitàna ny lehiben’ny Faritra, ny komandin’ny Vondron-tobim-pileovana (commandant du groupement) ny zandarimariam-pirenena sy ny tomponandraikitra ao amin’ny Rano sy Ala nijery akaiky ny raharaha. Marihina fa sambo miasa ao amin’ny faritra Toliary ity sambo tratra ity izay nikasa ny hitondra an-tsokosoko andramena 385. Tantsambo 5 no notazonina ary atao famotorana.

Ireto andramena nokasaina havoaka ireto dia anisan’ireo  1500 isa izay efa nogiazana volana vitsivitsy lasa izay no izao nisy nikasa hamoaka izao indray.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser