- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Olona 8 no maty, 6 naratra vokatry ny fihotsahan’ny tany

Maroantsetra : Olona 8 no maty, 6 naratra vokatry ny fihotsahan’ny tany

Vokatry ny ora-mikija tao Maroatsetra ny zoma lasa teo, dia olona 8 no voalaza fa maty ary 6 no naratra mafy noho ny fihotsahan’ny tany ka nandrava trano 21 tafo. Tao amin’ny fokontany Ambodivoahafotra sy Anbodiaramy, kaominina Ambinanitelo no niseho ity loza ity izay vokatry ny tany nihotsaka nentin’ny riaka avy any an-tendrombohitra ka nanafotra ireo toerana ireo.

Araka ny fampitam-baovao, dia mpianakavy ny dimy taminireo maty izay nahitana zaza vao 5 taona monja ary 70 taona no zokiny indrindra. Tsiahiavina fa fanidroany izao no nitrangana toe-javatra toy izao tao Maroantsetra tamin’ity taona ity. Ny voalohany dia tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Enawoo iny; izay nahafatesana olona ihany koa.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici