- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFampiatoana Ben’ny tanàna : Ahiana ny sakoroka anio, ao Toamasina

Fampiatoana Ben’ny tanàna : Ahiana ny sakoroka anio, ao Toamasina

Efa eny am-pelan-tanan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, ny tatitry ny fanapahana noraisin’ireo mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina, tao anatin’ny fivoriana ara-potoana 10 andro nataon’izy ireo nifarana ny zoma teo; izay nisafidianan’izy ireo ny fampiatoana ny ben’ny tananan’i Toamasina I. Anjaran’ny prefektiora no manao tatitra izany eo anivon’ny minisitry ny atitany, izay ity farany no mandray didim-pitondrana mampiato iray volana aloha ny ben’ny tanàna amin’ny asany. Nivoatra haingana anefa ny raharaha taorian’izay, satria tsy nijanona tamin’ny fifidianana nataon’ireo mpanolotsaina ny raharaha, fa tonga amin’ny fandrahonana azy ireo ataon’ireo ekipan’ny ben’ny tanàna izany ankehitriny, indrindra ny filohan’ny mpanolotsaina sy ny birao vaovaon’izy ireo ny zava-misy. Vokany ahiana indray ny sakoroka eo anivon’ny kaominina, anio, satria tsy hanaiky ny fanapahan’ny mpanolotsaina izao ireo ekipany. Fantatra ihany koa izao fa nametraka fitoriana an’ireo mpanolotsaina eo anivon’ny fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana Toamasina ny ben’ny tanàna sy ireo ekipany, izay entina hanoherana izao fanapahana fampiatoana azy amin’ny maha-ben’ny tanàna azy izao. Ankoatra izany koa dia mihazakazaka mafy ny raharaha, efa tonga eo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna mitory ireo mpanolotsaina roa nataon’ny mpanatanteraka azy ireo ho mpikomy tamin’ny fanapahana noraisin’izy ireo.Anio ihany koa no hiakatra fanadihadiana eo anivon’ny polisy ekonomika ny mpanolotsaina Mapar notorian’ny ben’ny tanàna mbola teo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna hatrany, noho ny fifidianana ny amboara sy medaly ho an’ireo mpihazakazaky ny kaominina (ASCUT) ny taona lasa, satria efa mitaky ny volany ilay tranombarotra nefa tsy manaiky handoa izany ny kaominina…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici