- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Taxibe 133, nifaoka polisy mpandrindra ny fifamoivoizana

Ampasika : Taxibe 133, nifaoka polisy mpandrindra ny fifamoivoizana

Mpitandro ny filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana avy ao amin’ny Polisim-pirenena etsy Tsaralàna, no naratra mafy ny Asabotsy 1 aprily rehefa nodonin’ny Taxibe teo am-panatanterahana ny asany. Voadona mafy ny teo amin’ny fitombenany sy ny feny izy, ity farany izay rovitra mihitsy ka nahavoatery ny mpitsabo hampiditra ity polisy ity trano fandidiana mihitsy.

Tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teo ho eo no nitranga ny  loza, raha nandrindra ny fifamoivoizana teo amin’ny « rond-point » mihazo an’Itaosy sy Anosipatrana ity polisy ity. Somary nitohana ny fifamoivoizana tamin’io ka voatery nanajanona ireo fiara avy Any Itaosy, izany hoe mivoaka ny tetezana Ampasika iny izy mba handefasana ireo avy aty Anosipatrana. Tsy hay anefa izay nahazo ny mpamily ilay taxibe 133 izay teo aloha tamin’ilay zotra najanony, fa avy hatrany dia nirifatra nandona ity polisy ity avy aoriana ka nifatratra tamin’ilay fiara avy aty an-kavanana izay efa tafiditra teo amin’ny « rond-point ». Vokany voadona ary voatery tao anelanelan’ireo fiara roa ireo ilay polisy.

 Soa ihany, hoy ireo nanatri-maso, fa nisy fotoana mba niherika tany aoriany ihany ilay polisy ka mba niezaka niala ka izay no nanamaivamaivana ny dona nahazo azy na dia mafimafy ihany ilay fifandonana, satria dia potika tanteraka ny “pare-choc”-n’ilay taxiba sy nahitana fahasimbana ihany koa ny faritry ny vodin’ilay fiara voadona.

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy vitsy tamin’ireo nanatri-maso no tezitra mafy tamin’izao loza izao, satria isan’ny tena be mpahalala eny amin’iny lalana iny ity polisy ity, indrindra ireo mponina eny Itaosy. Noho ny hafanam-po, dia nisy tamin’ireo olona ireo no saika hikasi-tanana ity mpamily ity taxibe 133. Soa anefa fa nalaky tonga ireo polisy avy ao amin’ny UIR na ny Unité d’Intervention Rapide de la Police nationale naka ity mpamily ka nitondra azy nankeny amin’ny kaomisaria Tsaralalàna, mba hanaovana fanadihadiana.

Fantatra fa fanindroany izao no nanao lozam-pifamoivoizana ity mpamily ity. Araka ny nambarany dia teny amin’ny 67 ha ny voalohany ary efa nigadra noho izany izy.

 Teholy M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici