- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny karàna : Kaomisera sandoka, nosamborin’ny olona

Fasan’ny karàna : Kaomisera sandoka, nosamborin’ny olona

Ny asabotsy antoandro teo, nisy olona nirehareha ho kaomisera ary nandrahona olona tamin’ny basy. Raha ny fitantaran’ny manodidina, dia nividy zavatra teo an-toerana izy ka rehefa sorena tamin’ny adivarotra dia navoakany ny basy ary norahonany tamin’izany ny zanaky ny mpivarotra sady nodarohany. Manao satroka polisy izy ary kaomisera mihitsy no fahafantaran’ny olona azy. Sorena tamin’ny zava-nitranga ny olona ka nitatitra ny zava-nisy tamin’ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny fiambenana ny fiantsonan’ny taxi-brousse eny Anosizato sy ny manodidina . Natao ary ny fanamarinana ary teo no fantatra fa kaomisera sandoka ilay lehilahy ary basy kilalao no nampiasainy. Tezitra ny oloana ary saika hikasi-tànana azy, saingy nosakanan’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny farany. Raha tsy izany dia fitsaram-bahoaka angamba no niseho teo. Nivoaka tsikelikely ny momba ilay kaomisera sandoka ary fantatra teo fa, efa mpanao tsindry hazo lena sy fisolokiana amin’iny faritr’Ihorombe iny ny tenany. Ny fiara fitaterana, ny taxi-brousse moa izany dia tsy andoavany vola mihitsy mandritry ny fivezivezeny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici