- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Olona telo maty, iray voatifitry ny « fusil à pompe...

Toamasina : Olona telo maty, iray voatifitry ny « fusil à pompe » ny roa matin’ny moto

Nahitana faty olona indray teto Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavana azo tamin’ny polisy dia noho ny resaka asan-jiolahy sy noho ny fandehanana mafy vokatry ny fahamamoana tamin’ny moto scooter, no nahatonga ireto faty olona telo, ny alahady nifoha ny alatsinainy ireto. Ny voalohany, araka ny fanazavan’ny polisy ny hery vonjy taitra eto Toamasina (FIP), dia nitranga tao Andranomadio P/lle 11/43. Nitrangana asan-jiolahy vaky trano mantsy tao amin’ity tokantrano iray ity tokony tamin’ny 1 ora sy sasany, ny alahady nifoha ny alatsinainy. Henon’ireo tompon-trano tsara ny fahatongavan’ireo andian-jiolahy manodidina ny 5 teo, raha ny fanazavana. Vao tafiditra ny trano anefa ireto andian-jiolahy izay nitondra basy “fusil à pompe”, raha ny fanazavana, dia avy hatrany dia nitaky ny vola tao amin’ity fianakaviana ity, sady avy hatrany dia nitifitra ity tovolahy vao 30 taona tao an-trano ka gorobaka avy tao an-damosiny mihitsy. Lasan’izy ireo avokoa ny fananana rehetra tao amin’ity fianakaviana ity, izay zakan’ireto andian-jiolahy rehetra. Tonga aloha ihany ny FIP raha vao nahazo antso, saingy haingam-piasa ireto andian-jiolahy ireto ka tafatsoaka. Ny faharoa kosa dia nitranga tamin’ny lalana “rue de la liberation” teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny “le flamboyant”. Tovolahy avy nimamo nanao taingin-droa tamin’ny moto scooter fotsy no nifatratra tamin’ny andrim-bato tamin’ny sisin-dalana noho ny fandehan’izy ireo mafy be niala teo amin’ny tranon-jiro hopitaly kely hihazo ny moron-dranomasina, tokony tamin’ny 10 ora alina. Niezaka nanao izay hanavotana ny ain’izy roa lahy ny toeram-pitsaboana teo akaikin’ny nitrangan’ny loza, saingy mafy loatra ny dona nahazo ny lohan’izy ireo ka tsy tana ny ain’ireto tovolahy roa ireto. Voalazan’ny mponina manodidina ity lalana ity fa tsy sambany ny fandehanana mafy amin’ity lalana ity, saingy ity kosa no loza nahatsiravina niseho hatramin’izay sy nahafaty olona…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici