Jiolahy efa rain-dahiny eto Antsirabe mihitsy raha ity voatifitry ny polisy ity, ahiana ho isan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana miharo fanolanana tamin’ireo masera tao Antsahatanteraka izy. Efa hatry ny ela no nikarohana an’i Kelimaso, malaza ratsy amina fanafihana izy sy ny ekipany, ary mazana saika miharo fanolanana hatrany ny asa ratsiny. Sendra ny tsy nampoizina anefa Ingahirainy ny faran’ny herinandro teo, nahazo loharanom-baovao momba ny toerana misy azy ny polisy ka avy hatrany dia niroso tamin’ny fisamborana ny alahady teo. Fantatra fa tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimiarivo, tsy dia lavitra ny kaominina Andranomanelatra, no misy azy. Saika mbola hitsoaka ihany anefa ity jiolahy raindahiny ity raha vao nahita ny polisy. Raha ny fantatra mantsy dia henjana amin’ny fitsoahana mihitsy i Kelimaso io, ary matetika no tafaporitsaka hatrany. Tsy vitan’ny fitsoahana fotsiny anefa no nataony, Voalaza fa mbola namaly ary saika hanao herisetra tamin’ny mpitandro filaminana ihany. Voatery nitifitra ny polisy ka voa teo amin’ny feny i Kelimaso, teo vao namitsaka ka noraisim-potsiny avy teo. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly moa ity jiolahy ity amin’izao, mialoha ny hanokafana ny fanadihadiana. Saika mitovy amin’ny fomba fanafihany hatrany moa ilay fanafihana ny tobin’ny masera tao Antsahatanteraka. Raha tsiahivina fohy, tamin’ny sabotsy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, masera iray sy mpiofana ho masera roa niampy teratany vahiny Alemana iray no naolan’ireo tsy mataho-tody, ankaotra izay dia norobainy ihany koa ka nahazahoany vola 6000 Euros sy 3 tapitrisa ariary. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ary tsy latsaky ny folo ny olona efa nandalo famotorana.
Andry N.