Zazavavy 9 taona no mila fitsaboana maika noho ny fanolanana nahazo azy, satria dia simba ny ao anatin’ny tranon-jazan’ity zaza ity, hoy ny nambaran’ilay dokotera nandray azy. Rahalahin-drainy niteraka azy, 23 taona, no nahavanon-doza rehefa nalaina hipetraka tao amin’izy ireo noho ny tsy maha eo lava ny renim-pianakaviana fa miasa tontolo andro. Ny alatsinainy 20 mars 2017 no niseho ity trangam-panolanan-jaza ity, raha iny avy nianatra nirava tamin’ny 4 ora sy sasany iny ity zaza ity. Efa fanaon’izy mirahavavy ny milalao rehefa avy mianatra, ka tamin’io fotoana io indrindra no nanararaotra ilay nahavanon-doza. Isan-kariva vao tonga ao an-trano ny renim-pianakaviana ka tsy nahatsikaritra raha tsy ilay zandriny vao fito taona no nampilaza taminy. Ny andron’io ihany no nanaovana ny fanaraha-maso sy ny fandehanana teny anivon’ny zandary tao Andasibe. Tsy mbola nisy fandraisana an-tanana anefa ilay zaza, na dia miha mihombo aza ny aretina mahazo azy . Nandritra ny fihaonana tamin’ity renim-pianakaviana sy ilay zaza ity no nahafantarana fa efa matetika no nanaovan’ilay dadafarany firaisana ara-nofo ity zaza ity fa norahonany hatrany. Tsy sahy mody ao an-tokantrano intsony izy telo mianaka fa nahazo fandrahonana tamin’ireo fianakavinan’ilay nahavanon-doza . Ny zoma 31 mars 2017 no nanatona ny tompon’andraikitry ny ministera misahana ny mponina eto Moramanga izy ireo, ary ity farany no nitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsaràna.
Cathy