Ankadifotsy, Behoririka, 67ha, Analamahitsy … Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa misy andian’olona mampiahiahy mampitamby volabe amin’ny olona mba hanoro lalana azy, mihaodihaody eto an-drenivohitra. Ary saika tovovavy mpianatra no fantatra fa tilian’izy ireto hatreto. Raha ny fitantarana isan-karazany anaty tambajotra sosialy ao, dia rangahy iray no manatona ilay tovovavy, mampiresaka. Milaza fa vahiny ary miangavy ny hanaovan’ity olona resahany ho mpitari-dalana azy eto an-drenivohitra. Volabe aman’hetsiny no voalaza fa sandan’izay saingy kosa dia tsy maintsy manaraka azy sy manoro azy ny toerana tiany haleha. Voalazany amin’izany fa mitondra fiara izy. Ka na io fiara mijanona tsy lavitra eo na lazainy fa maty any amina faritra an’anona ka mila mankany aloha. Miovaova ireo olona ireo ary miovaova ihany ny toerana « hanjonony » ireto tovovavy, saingy mitovy avokoa ny zavatra resahany dia izany « vahiny eto an-drenivohitra izany ka tsy mahalala izany atsimo sy avaratra ». Rehefa tena dinihana anefa ny firesany, araka ny fitantaran’ny tovovavy iray sendra ny iray tamin’izy ireo teny amin’iny faritra Ankadifotsy iny, dia tsy mitombina velively ilay hoe vahiny. Izany hoe raha sendra variana fotsiny amin’ilay mari-bola tononony dia manaiky avy hatrany. Ahitàna tranga isan-karazany tokoa eto an-drenivohitra, ary ny tsara indrindra anefa dia ny fahamailona sy ny fitandremana ihany. Tsy misy tandroka mantsy ny ratsy, hoy ny fitenenana izay. Tsy fantatra mazava ihany koa hatreto, izay tena tian’ireto andian’olona hatao amin’ity mampitamby volabe ho solona fanoroana lalana fotsiny. Zavatra toa tsy hitombina mihitsy fa tsy maintsy misy ambadika.
m.L



