Fanahy iniana nodorana ilay vatobe tompoin’ny olona ao amin’ny fokontany Anevoka, kaominina Andasibe. Naiditra am-ponja ny zoma 31 mars 2017 ireo olona roalahy tompon-kevitra tamin’ny fandoroana ilay vatobe antsoina hoe “Andriambavibe”. Efa hatramin’izay no lasa rafitra mifehy ny fiaraha-monina ny fisian’ireo toerana notompoin’ny fiaraha-monina tao Anevoka, Kaominina Andasibe. Tsy misy sahy manimba ala ny olona ao an-toerana noho ny fitandremana ny fady isan-karazany sy rafi-piarahamonina nisy hatramin’izay. Telo ireo vohitra manankasina ao amin’ny manodidina ity fokontany ity dia Maromizaha, Ambatokirijy ary Andriambavimbe ary ity farany no izao nisy nandoro ny 24 mars 2017. Nahazo toky tamin’ny Mpimasy hafa tsy monina eo amin’ity toerana ity ilay raim-pianakaviana ka tapa-kevitra ny hanohitra ny sy handrava ny rafi-piarahamonina efa nisy hatramin’izay. Tsy nanaiky ny fokonolona ka nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny zandary ao Andasibe, ary ireo tsy nisaraka tamin’ireo vahoaka hatramin’ny farany mandra-pahatongan’ny raharaha eo am-pelatanan’ny fitsarana.
Cathy



