Nivory nanemotra ny Lapan’ny Fitsarana Anosy omaly ireo mpianatra avy ao amin’ny sampam-pianarana Médecine eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo noho ny fisian’ny naman’izy ireo voarohirohy amin’ilay raharaha vehivavy maty niteraka tao amin’ny Hopitaly Befelatanana ny volana martsa lasa teo. Nitory moa ny fianakavian’ny maty ka ny sampana misahana ny heloba bevava ao amin’ny Polisim-pirenena (BC) Anosy no nandray an-tanana ny raharaha.
Taorian’ny famotorana dia olona valo no natolotra ny Fitsarana omaly ka ny efatra dia mpianatra (3 mpianatra ho mpandidy, 1 mpianatra dokotera taona faha-8). Tsy fandraisana andraikitra na fanaovana an-tsirambina tamin’ny fikarakarana ity vehivavy maty ity na “non assistance à une personne en danger” no hanenjehana azy ireo.
Tao aorian’ny fanadihadiana anefa dia nanapa-kevitra ny Fampanoavana fa averina eo anivon’ny BC ny raharaha satria nitaky ny hanaovana famotorana ireo rehetra niasa nandritra ny telo andro nidiran’ity vehivavy ity teny amin’ny hôpitaly ny mpitsara.
Eny Ankatso. Na eo aza izay fanapaha-kevitry ny Fitsarana izay dia milaza ny hanao fitokonam-be na “sit-in” eny Esplanade Ankatso ny fikambanan’ireto mpianatra ho mpitsabo ireto anio Talata manomboka amin’ny 9 ora maraina ho fanoherana ny fampidirina ny mpikambana ao aminy amin’izao raharaha izao. “Mpanatanteraka baiko fotsiny ireo ka tsy tompon’andraikitra velively”, hoy Rakotoarindimby Benjamin, filohan’ny fikambanana.
T.M.