- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Befelatanana : Manome 48 ora ny Fitondram-panjakana ny mpianatra ho dokotera

Raharaha Befelatanana : Manome 48 ora ny Fitondram-panjakana ny mpianatra ho dokotera

Ho fanoherana ny fanenjehana ireo mpianatra ho mpitsabo  voarohirohy amin’ilay raharaha nahafatesana mpiteraka tao amin’ny  hôpitaly Befelatanana , ny volana lasa teo dia nanatanteraka fitokonam-be na « sit-in »  teny amin’ny Esplade Ankatso ny fikananan’ny mpianatra ao amin’ny toeram-pampianarana ho mpitsabo na faculté de Médecine ao amin’ny  Oniversiten’Anananarivo, omaly maraina. Tonga maro be tokoa ireo mpianatra. Saika niato avokoa, araka izany, ny fampianarana tao amin’ity toeram-pampianarana ity mba ho fanehoana firaisankina amin’ireo namany voakasik’izao raharaha izao. Nandritra izany no nanomezan’izy ireo 48 ora ny Fitondram-panjakana foibe, indrindra ireo minisitera rehetra voakasika ny hanesorana ny mpianatra ho mpitsabo ao anatin’izao raharaha izao. Raha tapitra izay fe-potoana izay ka tsy misy valiny mahafa-po dia nilaza ny handray fepetra henjana ny fikambanana  mba hanamafisana ny fitakiana. Fepetra izay  hotapahana mandritra ny fivoriambe  izay hatao ny Alakamisy izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici