Miroso hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ilay trangam-panafihana niseho tao Antsahatanteraka Andranomanelatra, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Fantatra ary fa tafakatra 25 eo no isan’ireo olona nosamborina tamin’ity raharaha ity. Misy amin’ireto olona ireto no isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana, misy kosa ireo mpiray tsikombakomba nampiantrano ireo olon-dratsy. Mbola mitohy hatrany anefa ny fikaroham-baovao mahakasika ireo nahavanon-doza. Hatreto kosa dia mbola tsy hita izay nasian’izy ireo, ireo entana marobe norobainy sy ny vola. Tsiahivina fa tsy vitan’ny efa norobaina ireto relijiozy ireto fa mbola nampiharan’ireo andian-jiolahy ny filan-dratsiny. Anisan’izany lasibatra tamin’izany ihany koa ny tovovavy tera-tany vahiny iray, izay efa nandeha nody tany aminy moa, araka ny fampitam-baovao azo.
m.L / Andry N.