- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tera-tany sinoa novoina sy norobain’ny mpiambina azy

Antsirabe : Tera-tany sinoa novoina sy norobain’ny mpiambina azy

Mirongatra tanteraka ny tsy fandriampahalemana eto Antsirabe sy ny manodidina, saika ho isan’andro no andrenesana asan-jiolahy etsy sy eroa, mandry tsy lavoloha ny vahoaka na eto an-tanan-dehibe na any amin’ny fokontany manodidina. Tera- tany Sinoa lehilahy, monina sy mivelona eto Antsirabe tokony ho 46 taona  indray mantsy no nisy nandroba, ny alin’ny Sabotsy teo, tsy iza ireo nahavanon-doza fa ny mpiambina azy ihany. Tetika efa maty paika ny an’ireto mpiambina azy satria efa nomanina mihitsy ny hamelezana ity tera-tany Sinoa ity. Mipetra-drery moa ity lehilahy Sinoa ity eny amin’ny fokontany Mahafaly Vatofotsy iny . Io Sabotsy io tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, nitondra namana  hafa roa lahy sy vehivavy iray vadin’ny iray tamin’ireo mpiambina  hanampy handroba ilay teratany  Sinoa ireo mpiambina. Ny iray niandry teo amin’ny vavahady nitazana olona, ny telo mianadahy niandry tao ambaravaran’ny trano , ny iray kosa niakatra tany amin’ny tranon’ilay  sinoa nilaza fa misy simba ny fiara ka mila jerena haingana. Vantany vao nivoaka ny varavarana anefa ilay Sinoa dia ireo roa lahy efa niandry tao no  nidaroka  azy, novelesina tamina marito ny lohany sy ny tenany, rehefa izany dia nafatotra ny tongony aman-tanany ary notapenana ny vavany, ary tao amin’ny trano fidiovana no nametrahana azy. Nanara-po ireo jiolahy nony avy teo  nisava ny trano rehetra saingy tsy nahita izay tena nilainy. Henon’ilay Sinoa ny resaka nataon’ireo jiolahy araky ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminna  fa hovonoiny ity farany. Efa ora roa no lasa, niezaka namaha ny fatotra teny aminy ilay Sinoa ary nony farany afany ihany, ny roa tamin’ireo  jiolahy kosa variana mitety ny efitrano, ny ambiny nivoaka nividy sigara. Ilay teratany Sinoa kosa nitsambikina teo andavarangana, nihazo ny garazy, niakatra tamin’ny tomboho ary tafavoaka tany ivelany ihany. Sanganehana ireo nivoaka nividy sigara raha iny niditra ny trano iny fa tsy tao intsony ilay Sinoa,ny fatorana sisa tazana. Nandritra izany, niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay Sinoa , fa tsy nisy namonjy, fihetsika izay hita fa tena mampalahelo tokoa . Hany heriny namonjy ny arabe manakaiky ny fiangonana kamafa izy, tsy tapaka polisy mantsy eo amin’io toerana io. Niara niverina tany amin’ny trano fonenany ireto farany , vao teny an-dalana dia noraisim-potsiny ny vadin’ilay mpiambina tratra am-bodiomby mibata ny fahitalavitra iray lehibe. Ny roa lahy kosa, vantany vao nahatazana ny  polisy dia vaky nandositra. Raha mbola nanenjika ireto farany ny polisy ireo mpiambina roa lahy kosa nanidy ny trano avy any anatiny ary tafaporitsaka  nandositra koa nony avy teo. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataoin’ny mpitandro filaminana, iray tamin’ireo jiolahy no efa voasambotra ankehitriny, fantatra fa mbola mpianatra amina ambaratonga ambony iray eto Antsirabe izy io ary efa kilasy fahatelo. Mitohy kosa ny fanadiadiana.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici