- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers« Orchidée hôtel » etsy Ivato : Raikitra ny tifitra nandritra ny...

« Orchidée hôtel » etsy Ivato : Raikitra ny tifitra nandritra ny fanafihana

Ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo no nisy dimy lahy nanao fanafihana ny hotely orchidée etsy Ivato. Mitondra basy izy ireo ary nambanany tamin’izany avy hatrany ny mpiambina sivily niandraikitra ny fiarovana io toerana io. Nofatorana nony avy eo ary niditra tao anaty trano tamin’izay ireo olon-dratsy. Mba nisy iray tamin’ireo mpiambina anefa, tao anatin’izay rehetra izay, nahavita namaha ny fatorany. Notsindriany avy hatrany ny bokotra mampaneno ny “alarme” izay nipetraka tao amin’ny hotely. Taitra ny sinoa tompon’ny toerana ary namoaka basy ary nanao tifitra tsy an-kijanona. Tsy nampoizin’ireo jiolahy ny zava-niseho ary teo ihany koa dia nanapa-kevitry ny nitsoaka niala ny toerana ireo mpanafika. Tao anatin’izay fifanjevoana sy fahatairana izay no nisy telefaonina latsaka. Rehefa nandeha ny fijirihana io fitaovana io dia nanamafy ireo mpiambina fa sarina mpitandro ny filaminana avokoa ny tao anatiny. Tsy vitan’izany fa ireny azo sokajiana ho komandô ireny daholo ny sary tao anatin’ilay finday. Asa raha ho sahy hisambotra sy handeha lavidavitra ny fanadihadiana izay efa nosokafana nanomboka tamin’ny voalohan’ity herinandro ity. Manomboka mazava ihany koa amin’ny lafiny iray ny tena ao ambadik’ity fanafihana misesy lany eto an-drenivohitra ity. Toraka izany ihany koa ny fomba hananan’ny mpanafika basy. Handrasana ny tsy hisian’ny kiantranoantrano intsony eo amin’ny samy vondron’ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny fanadihadiana izay mahakasika ny olon’izy ireo. Raha tsy izany dia ho zava-poana hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay tokony ho antoky ny asan’ny mpitandro ny filaminana voalohany indrindra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici