- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversVaovao tapatapany

Vaovao tapatapany

Beroroha. Mpangalatra iray matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra sy vaky trano tra-tehaka nangalatra biby fiompy tao Marerano any amin’ny distrikan’i Beroroha no matin’ny fitsaram-bahoaka omaly. Rehefa voasambotra ity mpangalatra ity dia niharan’ny hatezeran’ny olona avy hatrany, ary namelan’ny fokonolona tamin’ny alalan’ny daroka sy vono mihitsy raha tsy afaka ny ain-dehibeny. Rah any vaovao voaray avy any an-toerana, dia tsy nisy mpitandro filaminana tonga nijery na nandrara ny fitsaram-bahoaka.

# Antalaha. Roalahy tra-tehaka nangalatra lavanila, matin’ny fitsaram-bahoaka. Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tany amin’ny distrikan’ Antalaha, faritra SAVA, afak’omaly naraina tamin’ny fito ora. Roalahy nangalatra lavanila tany Antanandava, ka tra-tehaka  tao amin’ny Fokontany sady renivohitry ny Kaominina Ampohibe, 20km eo miala ny renivohitry ny Distrika no niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ary maty tsy tra-drano avokoa. Raha araka ny vaovao voamarina voaray avy any an-toerana, dia olona voafonja ny iray maty tamin’ireto roalahy voalaza fa mpangalatra lavanila namoy ny ainy noho ny hatezeram-bahoaka. 

# Mananara Avaratra. Mpangalatra lavanila matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray voalaza fa nangalatra lavanila manta milanja 6 kg no matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly maraina, tao Antetezambe. Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo farany teo iny, dia nihena hatrany amin’ny 15% ny vokatra lavanila amin’ny tapany Avaratra Atsinanana sy Avaratra Andrefan’ny nosy iny , ka niaka-bidy tao anatin’ny fotoana fohy ny lavanila noho ny fila tsy maharaka intsony. Maro noho izany ny olona halaim-panahy mangalatra, ary izay tratra dia manefa foana, na mamoy ny ainy na maratra mafy miady amin’ny fahafatesana.

Nangonin’i Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici