Ho lasa fifanangana-tsandry ny raharaha fampiatoan’ny mpanolontsaina ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra tsy ho ela. Araka ny angom-baovao teo anivon’ny kaominin’i Toamasina dia nahazo baiko mafy ireo “gros bras” manara-maso ny birao fiasany, sy manara-maso ireo mpanolontsaina heverin’izy ireo ho “fahavalo”, izay nitranga omaly nandritra ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny filohan’ny mpanolontsaina Rakotoarivelo Solofo Ginah, nanazan’izy ireo ny anton’ny fanapahana noraisiny. Nandritra ity fifampiresahana tamin’ny mpanao gazety nataon’ny mpanolontsaina tamin’ny alalan’ny filohany teo anivon’ny biraony tao amin’ny lapan’ny tanana, dia efa nisy ireo “gros bras” am-polony nalefa hanelingelina izany, saingy tara fiaviana izy ireo satria efa nifarana ny fanazavan’ny mpanolontsaina vao nanao be fiavy izy ireo. Herintaona, 2016, monja dia mitentina 4,053 miliara ariary ny fandaniam-bolan’ny kaominina, raha tsy nihoatra ny 2,5 miliara ariary izany hatramin’izay. Ny resaka volan-tsolika no tena atao tantely afa-drakotra amin’izany izay namoahan’ny kaominina vola 750 tapitrisa ariary, ary indroa nampiana raha tao anatin’ny telo volana voalohany dia efa tapitra ny 350 tapitrisa ariary, ka nampiana 250 tapitrisa ariary ny volana jolay sy 75 tapitrisa ariary ny volana desambra. Teo koa ny vola famaroatana ny fiara roa teo anivon’ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano ary ireo fatim-by an-jatony taonina izay tsy nisy afa-tsy 20 tapitrisa ariary nefa voalaza fa nanaovana lavanty. Manginy fotsiny ny vola karaman’ny mpiasa izay tara lava, nefa mitetina 1,970 miliara ariary ho an’ny mpiasa raikitra raha 1,058 tapitrisa ariary ho an’ireo mpiasa an-tselika.
Malala Didier