Nisokatra ny fanadihadiana ary hatreto dia niainga tamin’ny telefaonina izay nentin’ny jiolahy ka latsaka tao amin’ilay toerana, ny hiaingan’izany. Raha tsiahivina dia ny asabotsy teo no nitranga ny fanafihana. Nofatorana ireo mpiambina matihanina ; izay miasa amin’ireny orinasa misahana ny fiarovana ireny. Saingy rehefa nisy basy maro teny amin’ireo jiolahy, dia tsy afa-nanoatra intsony. Nisy iray tamin’ireo mba nahavaha ny fatorany ka nahavita nampaneno ny « alarme » izay tonga hatrany amin’ny birao foiben’ny orinasa misy ireo mpiambina. Taitra ny jiolahy ary rifatra avy hatrany. Ilay sinoa tompon’ny toerana ihany koa mantsy namoaka basy avy hatrany ary nanao tifitra. Ny filatsahan’ilay finday izay nahitàna sary marobe no nandehanan’ny fanadihadiana fa mpitandro ny filaminana no ahiana ho tompon’antoka. Ho sahy hisambotra ve anefa ny mpanadihady, satria fantatra fa miasa eo anivon’ny toby izay manana kômandô ny voakasika ? Matetika dia mijanona hatreo amin’ny fahafantarana izany ihany ny fanadihadiana. Asa anefa amin’ity indray mitoraka ity…
D.R