Tsy niandry ela akory fa andro vitsy monja taorian’ny namonoana sy nandroban’ireo mpiambina ilay teratany sinoa mpampiasa azy dia voasambotry ny polisy ny telo mianadahy tamin’ireo jiolahy. Marihina moa fa ilay vehivahy, vadin’ilay mpiambina azy dia voasambotra tamin’ny andron’ny fanafihana ihany, tratra teny an-dalana nibata ilay fahitalavitra raitra izy io ary noraisim-potsiny. Ny roa lahy kosa dia nifanaraka ny andro nisamborana azy rehefa fantatra ny toerana nisy azy. Ny iray tamin’izy roa lahy ireo dia mbola mpianakatra, kilasy fahatelo amina fianarana ambaratonga ambony tsy miankina eto Antsirabe. Mbola karohina fatratra kosa ny vadin’ilay ramatoa voalaza etsy ambony sy mpiambina iray hafa, efa fantatra ny toerana nandehanany ary eo andalam-pikarohana azy ny polisy amin’izao. Raha tsiahivina fohy moa ny zava nitranga dia mpiambina natao hiaro ilay teratany Sinoa ihany no namono sy nandroba ity farany. Niantso namana roa hafa ireo mpiambina roa lahy niampy ny andefimandrin’ny iray hananatanteraka ny fandrobana. Novelesina maritoa ilay Sinoa, nafatotra tongotra aman-tanana ary napetraka tao amina trano fidiovana. Tafaporitsaka anefa ilay Sinoa, nanatona polisy izy ary io tratra io ireo nahavanon-doza. Natolotra ny fampanovana omaly moa izy telo mianadahy.
Andry N.