Tonga teny an-toerana ny pôlisy nitady azy, saingy tsy hita izay nanjavonany. Io lehilahy io dia nikasi-tànana mpandalo tsy amin’antony tamin’ny herinandro lasa teo. Natorony ny toeram-piasany taorian’izay ary nasehoany ihany koa ny fiarany. Izany dia nentiny nanaovana vava fa tsy misy afaka manao na inona na inona aminy raha mbola eto Antananarivo. Ny nahatalanjona anefa, asa raha mitombina tokoa izay noteneniny, fa nilaza ho tsy nisy nahafantatra azy daholo ny izay olona nanontanian’ny pôlisy tetsy Ambondrona. Soa fa azon’ny mpitory ny laharan’ny fiara ary izay no hiompanan’ny fikarohana ankehitriny. Tsy tokony hanano sarotra izany raha tena misy ny finiavana hanao fikarohana eny anivon’ny « Centre Immatriculateur ». Raha tsy hoe angaha tena tsy azo kasihina tokoa ilay rangahy…
D.R