Amin’ny andro antoandro be no nangalatra bisikileta i Rastà. Saron’ny olona ary niharan’ny daroka avy hatrany. Omaly no nitrangan’izany. Efa saika nizotra nankany amin’ny fitsaram-bahoaka ny zava-nisy saingy mba nisy olona tsara sitra-po nanakana ireo olona maro ary nitondra an’i Rastà nankany amin’ny pôlisy. Nosokafana omaly ihany ny fanadihadiana azy ary notazomina ao amin’ny violon izy nanomboka io fotoana io. Kely sisa dia lasa fanao ny fitsaram-bahoaka ary efa mizotra mankaty am-povoan-tany aza izany. Eo ihany ny hoe tsy fahatokisana intsony ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana, fa ny antony voalohany dia heverina fa ny famoahan’ny olona ny hatezerany noho ny fahantrana mihoapampana. Misy ny milaza fa raha izao no mitohy dia mizotra any amin’ny adin’ny samy sivily ny zava-misy eto amintsika. Moa tsy efa endrika isehoany ireny fitsaram-bahoaka ireny raha tena zohina ?
D.R