Ny mpanampy an’ireto mpivady monina eny amin’iny faritra Ambohibao iny ihany no nahavita nanafika azy ireo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola norahonan’ity lehilahy ity ho faty ireto olona ireto raha tsy manome vola 10 tapitrisa ariary azy. Raha ny fanazavàna azo dia mpanampy efa niasa fito taona tao amin’ity tokantrano ity ity lehilahy ity, saingy efa nesorina noho ny toetra ratsiny. Nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny zandary teny Ambohibao ny tompon-trano, ka voasambotra ny alarobia teo ilay lehilahy, raha tratra ambodiomby teo am-piantsoana ireo mpivady mihitsy. Ny zava-nitranga : « Roa andro talohan’io mantsy dia nisy lehilahy iray nisaron-tava tafiditra tao an-tranon’ireo mpivady ireo ka avy hatrany dia namantana tao an’efitra fandrian’izy ireo. Ramatoa irery anefa no tao, satria efa nifoha Rangaha ka efa nitsangana lasa any an’efitra hafa. Nambanan’io jiolahy io basy ramatoa, sady nosavainy ny « armoire » saingy tsy nisy na inonino na inona tao. Nikiakiaka Ramatoa ka taitra ilay vadiny sy ny mpanampy tany amin’ny efitra hafa rehetra tany ka namonjy nivoaka ny trano niantso vonjy. Tafatsoaka ilay mpanafika ary tsy nisy zavatra azony », hoy ny vaovao. Tafatsoaka ileio tamin’io fotoana io ary tsy nahazo na inona na inona. « Ny harivan’io indray dia nisy niantso an-tariby izy mivady, nilaza fa hamono azy ireo raha toa ka tsy manome vola folo tapitrisa ariary azy haterina eny akaikina hôtely iray eny Ivato. Nilaza tamin’ny zandary ireto voarahona ka natao ny vela-pandrika rehetra, izay niafara tamin’ny fahatratrarana azy io teo am-piantsoana finday ireo mpivady ireo teo amin’ny taxi-phone iray teo Ambohibao, ny 5 aprily 2017 maraina ». Tamin’ny famotorana natao ity lehilahy ity dia niaiky avy hatrany ny tenany fa izy no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tao amin’ilay trano, ary basy plastika no nampiasainy. Mbola izy koa no atidoha tao ambadiky ny fahaverezam-bola an-tapitrisany maro tao amin’io tokantrano iray io, fony izy mbola niasa tao. Ny zoma teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany ity mpanampy nivadika ity.
m.L