- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFiaferana Avaradrano : Zazalahy 7 taona, novonoina sy nafenina tao anaty rano

Fiaferana Avaradrano : Zazalahy 7 taona, novonoina sy nafenina tao anaty rano

Habibiana tsotra izao. Zazalahy kely tokony ho fito taona teo ho eo no hita faty tanaty rano, teny Amparihy, Fiaferana, disitrika Avaradrano, ny sabotsy hariva. Novonoina ity zaza tsy manan-tsiny ity, ary tamin’ny fomba feno habibiana tokoa. Avy eo nafenina tao anatin’io rano io, notsindrian’ireo tsy vahalara tamin’ny vato teo amboniny. Ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny efatra ora hariva no hitan’ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ity ankizilahy ity, rehefa tsikaritr’izy ireo tamin’izany fa misy zavatra mampiahiahy tao ambanin’ireo vato mifanongoa tao anaty rano. Natsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, narahin’ireo mpitsabo, nijery akaiky ny zava-nisy. Tamin’izany no nahitàna fa fatin-jazalahikely no tao. Raha ny filazan’ireo teny an-toerana dia voatery nosokirina tao ambany vato mihitsy ny vatana mangatsiakan’ity zazalahy ity. Toa nilaza avy hatrany fa novonoina izy io ary noezahin’ireo tsy valahara nafenina mafy. Ny fitantaran’ireo mponina nanatrika ny zava-misy mantsy dia hoe, nasitrika tao anaty lava-bato tamina renirano eny an-toerana, notofana fasika ary mbola notsindrina vato ihany koa teo amboniny. Na dia efa nasitrika tsy ho tazana tahaka izany aza dia nipoitra ihany, ary dia izao hitan’ny fokonolona izao. Nanamafy avy hatrany ny eritreritry ny olona hoe novonoina ity ankizilahy kely tsy manan-tsiny ity, ny fizahana nataon’ireo mpitsabo teny an-toerana. Nahitàna faritra mangana mantsy ny vatany rehetra, ary tamin’izany no fantatra ihany koa fa efa tsy nisy aina intsony izy io vao natsipy sy noezahina nafenina tao anaty rano io.  Tsy lavitra akory ny toeram-ponenany ity toerana nahitana ny vatana mangatsiakany ity. Raha ny voalaza hatrany mantsy dia ny omalin’ny nahitàna azy io, izany hoe ny zoma izy, no tsy hita ary tsy nody tao an-tranony intsony. Indrisy anefa fa dia izy efa tsy nisy aina intsony no hitan’ireo fianakaviany. Nandray an-tanana ity raharaha ity avy hatrany moa ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’i Sabotsy Namehana, ary efa eo am-panaovana fanadihadiana sy ny fikarohana izay nahavanon-doza izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici