Nihogahoga, nanakora ary nanompa ny Filoham-pirenena, olona telo nosamborina ny sabotsy teo nandritra ny lalao baskety tetsy Mahamasina. Ny sabotsy tokakandro teo tokoa no notanterahina ny famaranana ny lalao basket « Amboaran’ny Filoham-pirenena », izay natao tao amin’ny Lapan’ny Fanantanjahantena Mahamasina. Mazava ho azy fa araka izay anarany dia ny Filoham-pirenena no manolotra ny amboara ho an’izay nandresy. Nandritra io lalao io tokoa ary, nigadona teny an-toerana ny Filoham-pirenana. Notsenaina tamin’ny horakoraka izany fahatongavany izany. Fa tao anatin’izany horakoroka izany kosa no nisy ny nihogahoga, nanakora azy. Tao mihitsy aza ireo nahavita nanompa ny Filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny sioka. Angamba, zavatra tsy azo leferina intsony, hoy ireo mpitandro filaminana teny an-toerana, ka dia niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana izay tandrify azy teo, tamin’ireo olona nihogahoga ireo mpitandro filaminana. Vokany, nisy olona telo voasambotra, izay araka ny fanazavàna nomen’ireo tompon’andraikitra dia isan’ireo nisioka sy ny nanakora. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna nanaovana fanadihadiana. Tsy naharitra ela anefa ny nitanana azy ireo. Fantatra mantsy fa omaly ihany dia navotsotra ireto telolahy ireto, rehefa nasaina nifona imasom-bahoaka.
m.L