- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : 20 lahy nitam-basy nanafika tokantrano roa

Ambatondrazaka : 20 lahy nitam-basy nanafika tokantrano roa

Olona  telo no voatifitra, ny iray teo amin’ny loha, ny roa teo amin’ny tongotra, nandritra ny fanafihan-dahalo tao amin’ny kaomina Manakambahiny-Andrefana ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia dahalo miisa 20 eo ho eo, nitondra « armes balanches » sy basy vita gasy, no nanafika tranon’olona roa samy hafa ary nitifitra avy hatrany ny tompon-trano vao nandroba. Vokany, lasa tamin’izany ny vola mitentina 269 000 ariary  sy kojakoja tokantrano lafo vidy toy ny : televisiona « écrans plats »  miisa 02, « panneau solaire » 01, « convertisseurs » 01 , ary « lecteur DVIX ». Ny borigadin’ny zandary ao Ambatondrazaka no misahana ny  raharaha.

T.M.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici