- Publicité -
mardi, septembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : 20 lahy nitam-basy nanafika tokantrano roa

Ambatondrazaka : 20 lahy nitam-basy nanafika tokantrano roa

Olona  telo no voatifitra, ny iray teo amin’ny loha, ny roa teo amin’ny tongotra, nandritra ny fanafihan-dahalo tao amin’ny kaomina Manakambahiny-Andrefana ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia dahalo miisa 20 eo ho eo, nitondra « armes balanches » sy basy vita gasy, no nanafika tranon’olona roa samy hafa ary nitifitra avy hatrany ny tompon-trano vao nandroba. Vokany, lasa tamin’izany ny vola mitentina 269 000 ariary  sy kojakoja tokantrano lafo vidy toy ny : televisiona « écrans plats »  miisa 02, « panneau solaire » 01, « convertisseurs » 01 , ary « lecteur DVIX ». Ny borigadin’ny zandary ao Ambatondrazaka no misahana ny  raharaha.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici