- Publicité -
mardi, septembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Taolam-paty 46 hita teo amoron’ny RN2

Brickaville : Taolam-paty 46 hita teo amoron’ny RN2

Mpiasa mpanadio sisin-dalana amin’ny RN2 iny no nahita taolam-paty tao anaty harona vita amin’ny penjy ny harivan’ny 08 aprily teo tao amin’ny kaomina Ambodiampaly, distrikan’i Brikaville. Rehefa nosavaina ity harona dia nahitana taolana miisa 46 : 06 taolan-dava, 21 taolam-pohy, 02 taolam-pisaka ary 17 ”cotes” taolan-tratra. Tsy mbola fantatra ny tompony sy ny nahavanona ny halatra. Saingy, rehefa nidina tany an-toerana ny manam-pahefana  sy ny dokotera nanao ny fitsirihana, dia nasaina nalevin’ny fokonolona ireo taolana ireo.

Mirongatra indray tato ho ato ity halatra taolam-paty ity ary tsy any amin’ny Faritany ihany fa na eto andrenivohitra aza. Vao tsy ela akory izay no nandrenesana fahavakisana fasana tetsy amin’ny manodidina an’Ambohimanga raha tsy hilaza afa-tsy izay isika. Fa ny mahagaga aloha hatreto dia tsy fantatra marina ny tena ilana azy ity.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici