Lehilahy iray efapolo taona eo ho eo no voasambotry ny polisy tao Ampopoka Fianarantsoa raha saika hitondra rongony hiakatra aty Antananarivo ny alin’ny Asabotsy hifoha Alahady teo. Azo lazaina ho noraisim-potsiny ranamana satria tsy nampoiziny mihitsy ny nahafantaran’ireo mpitrandro ny filaminana mpanao sakana amin’iny RN7 iny ny tetika maizina nataony.
Nandray fiara fitaterana tao Ihosy ity lehilahy ity ary nikasa ny hiakatra aty Antananarivo. Fiara avy any Toliary no nidirany. Tsy nanana entana fa sakaosy mainty iray no teny aminy. Ity farany izay nokasainy hoentina an-tanana fa tsy natolony hapetraka any amin’ny fitoeran’entana any ambony fiara.
Vao niala kely monja tao Ihosy anefa dia niangavin’ireo olona niray toerana taminy izy mba handefa io entana io any ambony Fiara, satria nahatsiaro voabahana izy ireo. Tsy afa-nanoatra ranamana ka voatery nanaiky izany ka dia nizotra tsara ihany ny dia. Tsy nisy olana na teo aza ireo sakana maro teny an-dalana, satria ara-dalana rahateo ny fiara.
Teo Ampopoka no nitranga ny nafenina rehefa najanon’ireo polisy manao sakana eo an-toerana ilay fiara mpitatitra. Taorian’ny fisavana ny taratasin’ny fiara dia nanondro avy hatrany ilay sakaosy maintin’ilay lehilahy ireo polisy ka nanontany izay tompony. Nifanontany ny rehetra fa ilay lehilahy kosa mody fanina fotsiny. Nandritra izay indrindra no tsaroan’ilay mpamily fa an’io lehilahy io ilay sakaosy. Teo vao tsy afa- niala ranamana ka nivoaka moramora ary nosavaina teo imasony ilay entana.
Teo vao gaga ny rehetra fa zava-mahadomelina na rongony no tao. Ireto farany izay voafono tsilena tsara ary natao bolabola miisa toy ireny sopiera vary ireny. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana tapa-kazo maromaro toy ny ody gasy sy ranomanitra ihany koa tao anatin’ilay sakaosy.
Notanan’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy fa ilay fiara kosa afaka nanohy ny diany rehefa nazava ny momba azy.
T.M.