- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVohemar : Rendrika ny vedety « Zandry Kely », olona 40 ...

Vohemar : Rendrika ny vedety « Zandry Kely », olona 40 nieren-doza

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomasina tao Vohemar ny 9 aprily lasa teo. Vedety iray antsoina hoe « Zandry kely » izay nitondra olona 40 niala tao Ambolibozy hiazo an’i Vohémar no vaky teny am-pandehanana tamin’ny 9 ora maraina, rehefa nandalo tao amin’ny kaomina Nosy be ka namonjy niantsona tao amin’ny Nosy Maharanja, ao amin’io kaomina io ihany. Avotra avokoa araka izany ireo mpandeha rehefa nadefasan’ny  tompon’ny vedety sambo kely iray hafa mba hamonjy azy ireo. Marihina fa nisy zandary mpiana-draharaha 4 vao nivoaka farany teo ka handeha hamonjy ny toerana hiasany any amin’ny Borigadin’ny Vohémar tao amin’ireo mpandeha ireo ary zandary vavy ny iray.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici