- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversClaudine Razaimamonjy : Lasa any Istanbul omaly ny zanany roa

Claudine Razaimamonjy : Lasa any Istanbul omaly ny zanany roa

Ny zotra Turkish Airlines izay niainga teo amin’ny seranam-piaramanidina etsy Ivato tamin’ny efatra ora tolakandro no nitondra azy telo mianaka. Ny vaovao nohamarinina teny an-toerana no nahafantarana fa ny zotra TK 13X no nitondra azy ireo. Izy mianadahy miaraka amin’ny ramatoa iray izay mpitantana ny hotely A&C etsy Ivato ireo voakasika. Adiny iray mialoha dia efa hita teo amin’ny fiantsonan’ny fiara eo Ivato ny fiara tsy mataho-dàlana  Toyota V8 maromaro. Taoriana kelin’izay no nigadona ny V8 izay an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy ary nitondra ireo olona telo voalaza etsy ambony. Nandrasana teo ny hoe ao anatiny ihany koa ve ny tompon’ny A&C, saingy ny fanamarinam-baovao no nanamarina fa efa lasa ny maraina izy (jereo lahatsoratra ao amin’ny pejy pôlitika). Tsy nisy nahafantatra loatra ireo olona telo ary niditra toy ny olon-tsotra ihany teo amin’ny seranam-piaramanidina etsy Ivato. Tao amin’ny efitrano fiondranana ihany koa dia niandry toy ny olon-drehetra. Saingy ny fiaran-dRamatoa Claudine no efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ka teo no nanomboka nisarika ny sain’ny olona izay mahafantatra ny zava-nisy tetsy Ivato. Manginy fotsiny ihany koa ny fisian’ny fiara V8 telo na efatra izay raha ny fihevitra azy dia nanaraka sy niantoka hatramin’ny farany ny fandehanan’ireo olona telo.

Tany tan-dalàna ? Zotra mankany amin’ny seranam-piaramanidin’i Turquie ilay noraisin’izy ireo. Tsy fantatra kosa anefa raha hijanona ao na kosa hifindra fiaramanidina hafa rehefa tonga ao an-toerana. Io seranam-piaramanidina io mantsy dia fiantsonana fotsiny ihany ary matetika dia mizotra mankany Europe ny làlana farany. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny manoloana ny toe-draharaha izay mafana eto Antananarivo. Efa mitsoa-ponenana ve ity fianakaviana iray ity noho ny fanenjehana an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy amin’izao fotoana sa kosa misy antony hafa ? Ankoatra ity fandehanan’ny zanaky ny voakasika ity dia nomarihan’ny Tv plus omaly tamin’ny fanadihadiana nataony fa i Claudine Razaimamonjy, ny senatera Riana Andriamandavy, ny mpitsabo iray ary mpiandry fonja iray no lasa any amin’ny Nosy Maorisy. Ao Floréal, ao amin’ny hopitaly Fortis Darne izy ireo no nivantana. Miteraka resaka eo anivon’ny fiarahamonina hatrany ity raharaha ity, satria lasa mpahay lalàna avokoa ny olona nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo. Miompana amin’ny fisamborana an’i Claudine izay teo dia efa nizara ny hevitra hoe manara-dalàna na tsia. Nitohy indray izany tamin’ny fitazomana vonjimaika azy tao amin’ny Bianco, izay mbola nizara hatrany ny hevitra. Izao indray dia ny fandefasana azy hotsaboina any ivelany izay mbola miteraka resa-be ihany koa. Tany tan-dàlana sa tsia i Madagasikara ? Mizara ny hevitra satria betsaka no mahita fa misy mizana tsindriana ila hatrany ny fampiharana ny lalàna…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici