Mihahenjana ny raharaha eo amin’ny fanjakana eto Toamasina sy ireo fianakaviam-ben’ny teratany karàna, indrindra ireo amin’ny foko Bohras taorian’ny nahafaty ireo teratany roa, tsy nifanao efatra andro akory, dia ilay vehivavy tao amin’ny “cite nouvelle ville” sy ilay nitranga ny alatsinainy hariva tao Tanambao V. Raha ny fanazavana dia misy itoviana ireto tranga roa ireto. Teo aloha ny isany izay tovolahy roa tsy misaron-tava sy mitondra basy PA, fa tsy kalach araka ny vaovao voalohany azo, samy mitaingina moto scooter. Ny tsy nitoviany fotsiny dia ny sandan’ny vola azon’izy roa nandritra ny fanafiahana nataony. Ilay voalohany dia tsy nisy afa-tsy 20.000 ariary tao anaty poketra; ny faharoa kosa vola 160 tapitrisa ariary saika harotsaka teny amin’ny banky andro hariva no lasan’ireto andian-jiolahy roa, izay nifatotra tao afaran’ny moto natao tanaty sakosy mifatotra. Vokatr’izao fahafatesana foko Bohras roa tsy nifanalavitra izao, dia nanao fitokonana tsy hivarotra sy tsy hiasa avokoa ireto teratany karàna ireto ny omaly talata ; ho fiaraha-miory sy ho fiaraha-mientana nataon’izy ireo tamin’ny fianakavian’ny niharam-boina. Ny alarobia tolakandro amin’ny 3ora ihany koa dia hisy ny fivoriana faharoa hiarahan’ny fianakaviam-ben’ny karàna eto Toamasina sy ireo mpisahana ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, izay hotarihan’ny prefen’i Toamasina sy ny tonia mpampanoa lalana ary ny tonia mpampanoa lalana ambony. Ankoatra izay, dia mahazo fandrahonana hatramin’ny mpanao gazety manao ny asany koa tao anatin’ity trangana karana Bohras maty nisy nitifitra ity, raha sendra nanao ny asany teny amin’ny hopitaly be raha naka ny fatin’ilay teratany karana Bohras ny fianakaviany. Nolazaina fa ny mpanao gazety indray no mahatonga izao tsy filaminana mahazo ny teratany karana izao, nefa izy ireo no tsy mitandrina amin’ny vola be entiny. Nisy mihitsy ny fisintonana fitaovana nandritra izany, saingy tsy nanaiky lembanana ireo mpanao gazety nanao ny asany izay mpampita vaovao amin’ny vahoaka malagasy.
Malala Didier