- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Paska : Polisy 1500 no haparitaka eto Andrenivohitra

Fetin’ny Paska : Polisy 1500 no haparitaka eto Andrenivohitra

Ho fiatrehana ny fetin’ny Paska ho avy tsy ho ela dia nilaza ny Tale jeneralin’ny Filaminana anatiny, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety omaly teny Anosy, fa polisy 1500 no hahetsika eto Antananarivo sy ny manodidina, (Atsimondrano sy Avaradrano)  mba hiantoka ny fandriampahalemana mialoha, madritra sy aorian’io fotoana io. Hiasa andro sy alina izy ireo ary hanenika araka izay tratra ny tanàna manontolo, indrindra ireo toerana ahitana fivezivezena betsaka (Fiangonana, toeram-pitsangantsanganana …). Toy ny mahazatra, hisy ny andiany mandeha fiara sy mandeha an-tongotra. Eo ihany koa ireo manao fanamiana sy tsy manao.

Nomarihan’ity manamboninahitra ity fa ho hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampanajana ny lalàna, indrindra eo amin’ny fifamoivoizana. Na izany aza anefa, hisy hatrany ny fampianarana sy fanoroana ny rehetra amin’izay fitondran-tena tokony hananany, indrindra ireo mpamily fiarakodia. Tsy andeferana mihitsy kosa ny fahamamoana raha hitondra fiara. Handraisana fepetra ihany koa ireo mpanao “pointe” eny an-dalambe, toy ny eny amin’ny amin’ireo lalam-baovao (Rocades sy Marais Massay…).

Izany rehetra izany no atao, hoy izy, dia mba hanaovan’ny vahoaka Paska milamina sy hieren-doza. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy misy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Manainga ny rehetra, noho izany, ny polisim-pirenena mba tsy hisalasala hanatona ireny polisy mivezivezy ireny raha mahita zavatra mampiahiahy, na hiantso avy hatrany ireo laharan-tariby ahazoana ireo kaomisaria rehetra eto Andrenivohitra.

Ho hentitra ny fisavana (kara-panondro, taratasin’ny fiara… ) mandritra io fetin’ny Paska io, hoy ny Tale iraisam-paritry Filaminambahoaka eto amin’ny faritanin’Antananarivo raha nandray fitenenana ny tenany . Torak’izany koa ny mety hisian’ny fandaminana maro izay mety hanova ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe sasantsasany. Koa miangavy ny be sy ny maro ny tenany mba hanaraka antsakany sy andavany ireo toromarika omen’ireo tompon’andraikitra hisorohana izay mety ho fanelingelenana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici