Taorian’ny fakàna an-keriny an’i Firroz Nourbhay dia nanapa-kevitra ny mpianatry ny Lycée Français miaraka amin’ny ray aman-drenin’izy ireo, ny hanao fihetsiketsehana amin’ny alakamisy izao. Eo an-tokotanin’io sekoly io, amin’ny 12 ora antoandro izany no hotontosaina. Tsy izy ireo ihany anefa, raha araka ny fampitam-baovao omaly nataon’ny fikambanan’izy ireo (ALEFAP, APELF) no hanatontosa an’izany fa eo ihany koa ny mpianatra avy amin’ny sekoly frantsay hafa. Mizaka ny mafy ireo mpianatra satria izy ireo hatrany no iharan’ny kidnapping matetika. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia efa telo ny karàna izay mizaka zom-pirenena frantsay no niharan’ny asan-jiolahy izay matetika dia fakàna an-keriny. Mifanandrify amin’izany ity hetsika izay ataon’ny mpianatra amin’ny alakamisy ity.
D.R