- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkarafantsika : Mpiambina ala, maty novonoin’ny mpihaza tsy ara-dalana

Ankarafantsika : Mpiambina ala, maty novonoin’ny mpihaza tsy ara-dalana

Isan’ny faritra arovana mafy amin’izao fotoana izao ny alan’Akafarantsika iny. Teo am-panaovana ny asany mihitsy ity mpiambina ala iray ity no namoy ny ainy, rehefa novonoin’ireo mpitrandraka ala tsy ara-dalana. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa ity mpiambina ala ity satria dia notetitetehan’ireo tsy mataho-tody toy ireny nitetika hena ireny mihitsy, ary natsipy tao anaty kirihitr’ala ny vatana mangatsiakany nony avy eo, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ity raharaha ity ireto mpitandro filaminana, ka ny zoma lasa teo no voasambotra tany amin’iny kaomina Manerinerina iny ny roalahy voarohorohy ho nahavita ilay famonoana olona. Tsy fantatra anefa izay niseho tao anatin’izany fisamborana izany, araka ny vaovao hatrany fa nisy ny fifampitifirana ka namoy ny ainy ireto roalahy ireto. Ny fampitam-baovao hatrany no nahafantarana fa tamin’ny alalan’ny findain’ity mpiambina ala ity, nalain’ireo mpamono no nahalalana ny toerana nisy azy ireo. Raha ny zava-nitranga tamin’io fotoana io mantsy dia nidina nanao ny asany andavanandro ilay mpiambina ala. Tamin’io fotoana io no tojo telo lahy  teo am-pamonoana biby arovana mafy izy. Nalainy an-tsary tamin’ny alalan’ny finday ireto mpihaza tsy ara-dalàna ireto. Sendra tsikaritr’ireto olon-dratsy anefa izany ka nandrasan’izy ireo kendry tohana ilay mpiasan’ny ala, nangalan’ilay finday misy ny sary. Tsy vitan’izay anefa fa mbola novonoin’izy ireo tsy nanany antra ihany koa ny tompon’ilay finday.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici